- Publicité -
mardi 28 juin 2022
DomicileFaits-DiversAlaotra : Mitohy ny fanapotehana ireo biby ao anaty ala sy zetra

Alaotra : Mitohy ny fanapotehana ireo biby ao anaty ala sy zetra

Ny zanak’olombelona mihitsy no mamotika ny zetra sy ny ala mba hivelomana sy hihinanany ireo biby tsy fahita firy eto ambonin’ny tany .Toa miantso an’efitra ihany ireo fikambanana miaro amin’ny tontolo iainana toy ny MWC ( Madagascar weldilife conservation) ary ny ALARELA amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny biby anaty ala .Toa lasa sakafon’ny olombelona ny Bandro sy ny biby hafa izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara tsy tahotra tsy henatra fa hamidy eny amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ireo vorondia izay mampalaza an’Alaotra, tamin’ny volana aogositra 2015 teo dia nahitana Onjy roa nisy nivarotra teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka izay, hitan’ny rehetra anefa tsy nisy fandraisana andraikitra. Toa lasa gaboraraka ny fiarovana ny zetra ao Alaotra , satria potehana ny zetra ary faritana atao tanimbary, efa misy mamaritra ihany koa ny sisin’ny ranon’Alaotra ary ny zavatra mahagaga dia tompon’andraikitra sy olom-panjakana ireo tena mibodo  izany . Niteraka resabe taty Alaotra izany fahapotehan’ny tontolo iainana zany, indrindra ny fisian’ny fitrandrahana vato any anaty ala harovana izay toa tazanim-potsiny amin’izao fotoana izao. Namory mpanao gazety ry zareo avy ao amin’ny MWC Rtoa Mialisoa lucile Raveloarimalala sy Ramatoakely Ihoby Henintsoa Randriamalala izay nanambaran’izy ireo ny tsy fahampian’ny fiarovana intsony ny tontolo iainana raha tsy ny rehetra mihintsy no miara-misalahy, toa ny fanjakana ny mpitandro ny filaminana satria tsy matahotra olon-tsotra intsony ireo karazan’olona manimba ny tontolo iainana ,ary milaza mihintsy fa manana olona ambony miara-miasa amin’izy ireo. Manao antso araka izany izy ireo ny handraisan’ny rehetra andraikitra.

Janus R  

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici