- Publicité -
lundi 27 mars 2023
DomicileFaits-DiversToliara II : Ankizivavy 12 taona naolan’ny dahalo dia bevohoka

Toliara II : Ankizivavy 12 taona naolan’ny dahalo dia bevohoka

Mandry andriran’antsy sy miraviravy tanana ny ankamaroan’ny mponina amina faritra maro eto amintsika noho ny firongatry ny asan-dahalo arahina vono olona sy fandratrana tsy manan-tsiny, indrindra amin’ny tapany atsimon’ny nosy iny. Tsy vitan’ny mandroba fananana sy mangalatra omby ary mamono ireo dahalo fa manolana ihany koa. Zazavavy vao 12 taona monja no mitondra vohoka dimy volana amin’izao rehefa naolan’ny malaso nandritra ny fanafihana tanàna iray tany amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankililoaka Toliara II, volana vitsivitsy lasa izay.
Tsy afa-nitsoaka. Tsy afa-po nandraoka ny omby sy nitaona ny entana samihafa zakan’izy ireo teo an-tanàna ireo andian-dahalo tanora, fa nandraoka ireo ankizivavy sisa tavela teo an-tanàna tsy afa-nitsoaka, ka anisan’ny nanamparany ny filan-dratsiny ity zazavavy bevohoka sady marary mitondra takaitra ankehitriny ity vokatry ny vono nihatra taminy. Raha ny vaovao voaray dia marary mafy misy tsiranoka miaraka amin’ny rà mandeha amin’ny fivavian’ity ankizivavy voaolana efa ho reny tsy fidiny sahady ity. Ahiana ny toe-pahasalamany, nefa ny ray aman-dreniny tsy manam-bola hitsaboana an-janany, fa lany tamingana avokoa ny fananana rehetra norobain’ny malaso.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici