Feno hipoka ny lapan’ny fanatanjahan-tena ny alahady lasa teo nandritra ny fankalazana ny faha-18 taonan’ny onjam-peo 107.4 FM, na FMFoi. Natao tamin’ny endrika fivoriam-bavaka izany ho an’ireo mpihaino sy mpakafy io radio io. Nisesy ny asaramanitra am-bavaka sy fiderana ary toriteny ary koa ny tso-drano izay notarihin’i Pasitera Benjamina, nandritr’io fotoana io. « Ndao hivavaka…hanao zava-baovao Jehovah”, toriteny izay nosintominy tao amin’Isaia 43:19, no lohahevitra novelabelariny teo anoloan’ny olona miisa 7000. Nivoitra tamin’izany fa manana anjara fitaizana ny radio ara-pilazantsara ary indrindra amin’ny fanovana toe-tsaina. Afaka manova ny sosialin’ny olona ary manampy ny olona eo amin’ny lafim-piainana rehetra amin’ny fiainana ankapobeny rahateo izany, indrindra raha arahina am-bavaka, hoy hatrany ity Pasitera ity. Maro ny olona nilaza fa nanampy isa ireo izay efa nandray ny anjara fahasoavana sy valim-bavaka, toy ny fanasitranana, fanafahana amin’ny fanahy ratsy, fahombiazana amin’ny asa na koa ny fianarana sy ny fiainan-tokantrano.
f.d