- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFianarantsoa : Nisy nandoro indray ny foibe iraisam-paritry ny Jiro sy Rano...

Fianarantsoa : Nisy nandoro indray ny foibe iraisam-paritry ny Jiro sy Rano Malagasy ao Tsianolondroa

Mbola tsy mivaly akory ny fanadihadiana ny antony nahamay ny birao foibe iraisam-paritry ny orinasa Jirama Fianarantsoa tamin’ny taona 2014 dia izao may  izao indray ny marainan’ny zoma 15 janoary ity. Fipoahana intelo nifanesy tamina efitrano samihafa. Tamin’ny 3ora maraina tany ho any no nipoaka ny voalohany tao amin’ny efitranon’ny sampandraharaha misahana ny ara-barotra (service commercial), ambany rihan’ny trano fonenan’ny tale iraisam-paritra io. Nirehitra ny tao anatin’ny trano saingy voafehy haingana ny afo. Fotoana fohy taorian’izay nirefotra indray ny tao amin’ny efitranon’ny sampan-draharaha mikirakira ny “comptabilité”. Tsy naharitra ihany koa dia voafehy ny afo. Fa ny tena goavana dia ny tao amin’ny efitrano fitehirizana ireo fitaovana fampiasan’ity orinasa ity na ny atao hoe “magasin de stockage”. Ambony rihana no misy azy io. Niredareda avy hatrany afo vantany vao nipoaka avy tao anatiny ary nananosarotra ny famonoana azy satria tsy tohitra ny lelan’afo. May kila firehitra tao avokoa ny ankamaroan’ny entana tao anatiny nahitana compteur, solontsaina, antontan-taratasy maro samihafa, sns…

Mifanalavitra ireo efitrano  telo nahenoana fipoahana nipoiran’ny afo ireo. Nifanome tanana namono ny afo, nanao izay ho afany ireo mpiasa tonga teo sy ny mponina mpifanolo-bodirindrina. Tamin’ny 5ora kosa vao tonga ny mpamonjy voina, “sapeurs pompiers” an’ny kominina renivohitra sy an’ny ADEMA. Tamin’ny 8ora sy sasany maraina tany ho any vao maty tanteraka ny afo. Marihina fa tsy teto an-toerana ny tale iraisam-paritry ny Jirama fa io maraina io, minitra vitsy talohan’ny nitrangan’ity fahamaizana ity vao tonga, avy namita iraka tany Antananarivo. Maro ny zavatra may. Mbola tsy fantatra kosa hatreto ny tombam-bidin’ny fahavoazana.

Niniana nodorana ? Nampametram-panontaniana ny maro ity tranga fahamaizan’ny orinasa Jirama eto Fianarantsoa ity. Maro tamin’ireo mpamonjy voina sy tamin’ny olona tonga teo amin’ny toerana nisian’ny fipoahana no naheno fofona solika (essence). Tsy fifandonana herinaratra koa anefa no nahatonga ny fahamaizana araka ny nambaran’ny teknisianina ao ihany. Efitrano telo mifanalavitra ihany koa no nipoiran’ny firehetana ary nahenoana fipoahana mitovy avokoa. Misy mpiambina telo tonta ny vavahady miditra ao amin’ity orinasa ity ary nanamarika ny iray tamin’ny mpiambina fa voarakitra an-tsoratra avokoa ny olona mivoaka sy miditra ao amin’ny orinasa, eny fa na ireo mpiasa mirava alina aza. Raha jerena ankapobeny ny fipoahana dia avy ao anatin’ny trano avokoa. Mampanontany tena hatreto hoe inona no antony ary iza no mety ho nahavita izany. Ny zavamisy kosa dia ao anatin’ny manao “Audit” na fanadihadiana sy fanaraha-maso lalina ny asa sy ny fandehan-draharaha ao amin’ity orinasa ity ny iraky ny fitondrana foibe amin’izao fotoana nitrangan’ny fahamaizana izao, ary vao tamin’ny herinandro mialohan’izao no nitsidika sy nanao be midina taty ireo tale avy amin’ny foibe nasionaly notarihin’ny tale jeneraly sy ny tale jeneraly lefitry avy ao amin’ny ministeran’ny Angovo nijery akaiky ny momba ity orinasa ity. Ny fanadihadiana natao ihany koa no nahafantarana fa an-tapitrisany maro ny vola tokony hiditra ain’ny orinasa no tsy hita. Ireo antony ireo no mahatonga ny baraingo maro napetraky ny ankamaroan’ny olona hoe niniana nodorana ve. Ny fanadihadiana no andrasana hahafantarana ny tena marina.

Y. Saholinirina

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici