- Publicité -
jeudi, mai 19, 2022
DomicileFaits-DiversIsotry : Mpanendaka rain-dahiny mampihorohoro amin’ny basy kilalao

Isotry : Mpanendaka rain-dahiny mampihorohoro amin’ny basy kilalao

Voasambotra tetsy Andavamamba ireo roalahy voalaza fa mpanendaka rain-dahiny eny amin’iny faritra Isotry iny, ny alakamisy lasa teo. Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rija sy Radadatoa izy ireo ary miaraka amin’ny basy rehefa manao ny asa ratsiny, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy etsy amin’ny kaomisaria fahefatra. Tamin’ny alalan’ny antso avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahazoana nisambotra ireto roalahy ireto. Rehefa nilaza mantsy ity loharanom-baovaon’ny pôlisy ity fa misy olona mitazona basy ao an-trano eny Andavamamba dia nigadona teny ny pôlisy. Tamin’ny fisavàna ny tranon’izy ireo dia nahitana basy poleta PA mitovy amin’ny tena izy tokoa nafenina tao ambany kidoro. Rehefa nojerena anefa dia basy kilalao ity PA, saingy nasiana lohany vy fotsiny. Nambaran’izy ireo fa amin’izay rehefa mikasoka amin’ny vatan’ireo hazany ilay basy dia heverin’ireo lasibatra fa tena basy tokoa. Efa telo taona teo ho eo izay no nitazoman’izy roalahy ity basy ity ary efa betsaka ireo olona tratrany tamin’izany. Tsy vitan’izay moa fa mbola nahatratrarana irony akanjo manjelanjelatra fitondra amin’ny alina irony, izay fanaon’ny mpitandro filaminana tao amin’ity trano ity. Ambonin’izay ny kaskety izay misy soratra “gendarmerie” roa tao amin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana azy roalahy ireto no nahafantarana fa isan’ireo fitaovana entin’izy ireo manao ny asa ratsiny ireto fitafiana ireto, ambonin’ilay basy kilalao. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto mpanendaka ireto ary nadoboka any am-ponja avy hatrany rehefa avy nohenoin’ireo mpitsara mpanao famotorana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici