Miisa 134 ireo sokatra ireo. Antsoina amin’ny anarany hoe Astrochelys Radiata. Sokatra avy any amin’iny fatritra atsimon’ny Nosy iny.
Niatomboka tamin’ny fofona maimbo niparitaka manodidina ny faritry ny bloc administratif ny fimenomenonan’ny maro. Kay tsy fako akory no niteraka ny fofona fa ilay zana-tsokatra nisy nanary teo amin’ilay fanariam-pako teo aloha. Efa ho telo andro no nisy nahatsikaritra ilay sakaosy lehibe mbola tsara nisy ireo sokatra. Tsy nisy sahy nanokatra anefa ilay izy, fa noheverin’ny manodidina fa an’ny mpiambina ao amin’ny minisiteran’ny Rano izay mifanila amin’ilay toeram-panariana fako.
Omaly marina no nisy nampandre ny avy ao amin’ny faritra. Izy ireo avy eo no nampandre ireo tompon’andaikitra isan-tsokajiny, nidina ifotony nijery ny zava-misy niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra Boeny. Tamin’io no nahitana, fa sokatra avokoa no tao anatin’ilay sakaosy ary efa maimbo sy simba daholo.
Fanintelony izao no nisy ity tranga ity teto Mahajanga. Ny iray tamin’ny taon-dasa, ny faharoa tamin’ny faran’ny taona teo; izay tamin’ny gony maromaro mihitsy ireo zana-tsokatra no nariana teo ary ity niseho ny alarobia ity indray. Ny tena mahagaga amin’izao tranga izao, dia ity izy tsy niova toerana fa mbola teo amin’ilay toerana fanariam-pako manakaiky ny bloc administratif io hatrany. Izany no midika hoy ireo tompon’andraikitra, fa olona eo amin’ny manodidina ihany no nanao izao asa ratsy fanodinkodinana ny harem-pirenena izao.
Efa misy hoy hatrany ny tale iraisam-paritry ny Ala eto Mahajanga, ny fitsanganan’ny “brigade mixte de contrôle” hanara-maso ny fivezivezan’ireo sokatra ireo isaky ny distrika ka hohamafisina izany ary apetraka ihany koa ny fanaraha-maso ireo entana miditra sy mivoaka ny tanànan’i Mahajanga. Tsy ho ela kosa dia hisokatra ny fanadihadiana lalina rehetra hoy ny lehibe ny faritra miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana rehetra sy ny avy amin’ny minisitera misahana ny tontolo iainana ka ho hita eo izay fositra nahavita izao asa mamoafady izao.
Tantely Vandriam