- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversSoanierana : Zazarano tokony ho efa-bolana, nisy nanary tao an-tatatra

Soanierana : Zazarano tokony ho efa-bolana, nisy nanary tao an-tatatra

Mampanontany tena tokoa ny zava-misy ankehitriny, fa toa zary lasa fanao ratsy eto amintsika ny mamono anaka. Tsy hita intsony ny lanja sy hasin’ny oha-pitenenan’ny Ntaolo izay milaza fa “ Ny zanaka no voalohan-karena” ho an’ny Malagasy. Ny marainan’ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora teo ho eo,  zaza rano iray indray no hitan’ny olona nisy nanary tao anaty tatatra amin’ny lakandranon’ny fokontany III-I Cité Gare Soanierana iny. Nitangorona ny olona raha nahare ny vaovao, satria raha ny fanamarihan’izy ireo dia tranga tsy mbola nisy teo amin’io toerana io izany na dia voasokajy ho “couloir de la mort” aza izy iny. Ho azy ireo, dia zaza niniana nalàna izy ity ary tsy  isalasalana fa olona avy eny ivelany no nahavanona izao loza mahatsiravina izao. Manamarina izany moa ny fijoroana vavolombelona nataon’ olona iray izay nanatri-maso ny zava-niseho nialoha an’izao tranga mampalahelo izao.  Ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, raha iny avy niasa handeha hamonjy ny toeram-ponenany iny ity lehilahy iray, dia gaga raha nahita ramatoa iray mipetraka toa mivalan-drano teo amin’ny sisin’io lakandrano io. “Gaga aho satria iny faritra iny dia malaza ho be mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, nefa dia nahavita nipetraka irery teo ilay ramatoa amin’ny andro alim-be.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici