- Publicité -
dimanche 2 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversRN 2 – Ambodibonara : Nivarina an-kady ny fiara 4x4 nitondra mpanao...

RN 2 – Ambodibonara : Nivarina an-kady ny fiara 4×4 nitondra mpanao gazety

Mpanao gazety valolahy, avy nanao ny asany tamin’ny fandrakofana ny lanonana notarihin’ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ ny filoham-pirenena sy ny fananan-tany ary ny fampitaovana, Atoa Rafidimanana Narson, tao Brickaville ny sabotsy teo no niharan-doza tamin’ny làlam-pirenena tao akaikin’ny kaominin’Ambodibonara  distrikan’i Toamasina II.

Teo amin’ilay fiolahana nampitondrain’ny olona ny anaran’ny Dr Lemalady Eric izay efa tra-doza, saingy tsy naninona, no nivarina an-kady ilay fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ireo, raha avy nisolifatra tamin’ny làlana nalama nateraky ny herika sy ny fiolahana ary nidona tamin’ireo rarivato amin’ny sisin-dàlana na efa nandeha mora aza ilay fiara nandritra ny loza. Somary nihantona sy nihilana aloha ilay fiara  talohan’ny nivarinany an-kady izao. Segondra vitsy nitongilanany io no nanararaotan’ireo mpanao gazety valo lahy sy ny mpamily azy nivoaka ny fiara haingana, ary taorian’izay vao nivarinana tany an-kady ilay 4×4.

Tsy nisy aloha ny maty sy ny naratra na teo aza izany rehetra izany, saingy teo amin’ny fananana sasan’ny mpanao gazety no very noho ny fanavotany ny ainy. Avy hatrany anefa raha nahita ny loza ny ekipan’ny minisi-panjakana  Rafidimanana Narson, dia nandray ny andraikiny tamin’ny fisahanana ireo mpanao gazety nieren-doza, sy ilay fiaram-panjakana tra-doza, ary nanao fivoriana maika tao amin’ny efitranon’ny Faritra Atsinanana vao tonga tao Toamasina. Nandinika ny fomba tsy hitrangan’ny loza intsony amin’ny fanamafisana ny rari-vato mpiaro sy ny fijerena ny hanamaivanana ilay fiholanana goavana izay matetika mitera-doza hoy ny mponina manodidina.

Nahitana ny solontenan’ny gazety: Taratra, Midi Madagasikara, Ino Vaovao Faritra, Tia Tanindrazana, onjam-peo sy fahitalavim-pirenena, ny fahitalavitra Tv-plus, ny onjam-peo Rna sy Hff, ao Toamasina, ary ny mpanao gazety miasa eo anivon’ny ministeram-panjakana ireto niharan-doza ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici