- Publicité -
dimanche 2 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversToamasina : Karana voaendaka vola 3 tapitrisa ariary

Toamasina : Karana voaendaka vola 3 tapitrisa ariary

Tao anatin’ny fahamaroan’ny olona tao Bazary kely aty amin’ny ilany misy ny tsenan’ny tantsaha, dia ny fisahotahan’ny olona sy ny antso vonjy nataon’ilay karana voaendaka no nanaitra ny rehetra, saingy tao anatin’izay dia efa lasan’ireo jiolahy ny sakaosy nisy ilay vola telo tapitrisa ariary an’ilay karana.

Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga izay tsy lavitra ny tobin’ny polisim-pirenena ao Toamasiana, saingy nanana fahasahiana goavana ireto andian-jiolahy nanendaka karana ireto. Avy hatrany dia nosinton’ireto andian-jiolahy ireto ilay sakaosy teo am-baben’ilay karana hody avy nivarotra, raha variana nividy voasary ny tenany. Haingana ny fisintonan’ireto jiolahy ilay sakaosy raha ny filazan’ireo nahita izany; izay avy hatrany dia raikitra ny pasy-pasy teo amin’ireto andian-jiolahy ireto ary samy nanana ny làlany izy ireo taorian’izay, ka fanina tsy nahavita nanenjika ireo nahita ny zava-nitranga. Ny angom-baovao no nahalalana, fa efa narahan’ireto andian-jiolahy ireto ity karana nitondra vola tao anaty sakaosy nobabena ity, saingy tsy nahatsikaritra izany ny tenany ka teo amin’ny fotoana izy variana nividy zavatra iny, no nanararaotan’ireo andian-jiolahy ireto azy nisintonana ilay sakosy nisy vola.

Na teo aza ity fahaverezam-bolan’ity karana ity; izay tsy lavitra ny tobin’ny polisim-pirenena ity, dia tsy naharay fitarainana ny teo anivon’ny polisy mahakasika izany izay nambaran’izy ireo, fa tsy mahagaga azy ireo ny tsy fitoriana raha karana no tratran’ny asan-jiolahy tahaka izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici