- Publicité -
jeudi 30 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversManakambahiny : Ramatoa mitazona « gargotte » nahatratrarana toaka gasy an-jatony litatra

Manakambahiny : Ramatoa mitazona « gargotte » nahatratrarana toaka gasy an-jatony litatra

Ramatoa lehibe iray no nosamborin’ny pôlisy miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny alahady lasa teo teny Manankambahiny. Araka ny fantatra dia nahatratrarana bidao fito, feno toaka gasy tao amin’ny toeram-pivarotana hani-masaka notazominy. Izany hoe mahatratra eo amin’ny 140 litatra teo ho eo. Vaovao avy amin’ny olona no nahafahan’ireo pôlisy nidina teny an-toerana sy nisava ny toeram-pivarotan’ity ramatoa ity. Raha ny fanadihadiana natao azy dia fantatra fa sady mivarotra toaka gasy izy no manao ity asana fivarotana hanimasaka ity. Mahalany toaka gasy dimy litatra isan’andro ity ramatoa ity amin’izany ary teo amin’ny efa-bolana teo izay no nanaovany ilay asa. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity ramatoa mpivarotra toaka tsy ara-dalàna ity.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici