- Publicité -
lundi 20 mars 2023
DomicileFaits-DiversRN7 : Olona 4 matin’ny lozam-pifamoivoizana

RN7 : Olona 4 matin’ny lozam-pifamoivoizana

Fiara tsy mataho-dàlana marika “pick up” iray indray, no namono olona  roa, ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany ho any. Manelanelana an’Ambohimandroso sy Ihazolava amin’ny làlam-pirenena fahafito, PK 90, no nitrangan’izany. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza, dia voamarina fa nandeha mafy nisongona “boeing” nitondra mpianatra avy nanao “voyage d’études” no fototry ny loza. Nivadika ambony ambany tanteraka tany an-tanimbary no niafaran’ilay “pick up”.  Olona enina no tao anatiny, izay vehivavy ny iray. Marihina fa, nipitika tany ivelan’ny fiara daholo izy rehetra ireo. Ilay saofera dia maty tsy tra-drano. Ny ambiny nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopitaly, saingy tsy tàna intsony ihany koa ny ain’ny iray tamin’ireto farany. Ireo mpianatra tao anatin’ilay “boeing” kosa dia tsy nisy nahiana ny ainy. Tonga  soa aman-tsara tany an-tokantranony aby ihany. Raha ny fanazavan’ny mpamilin’ilay “boeing” , dia niezaka mihitsy izy tsy handeha mafy, satria mitandrina ny amin’ny ain’ireo ankizy nentiny, saingy izay angamba no tsy nety tamin’ilay nitondra an’ilay “pick up” ka nahatonga azy ireo nisongona azy. Vokany: loza mahatsiravina sisa no niafarany. Efa tonga teny an-toerana ny zandary nandray an-tànana  ny raharaha.

RN7-copyMatin’ny “môtô”.

 Ankoatra ny lozam-piarakodia izay nahafatesana olona roa tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, dia olona roa ihany koa no namoy ny ainy vokatry ny fifandonana “môtô” roa  nifanena, ny asabotsy teo. Ny iray “bws” ary ny iray kosa mitondra ny marika “honda routière”. Mbola tany amin’ny làlam-pirenena fahafito, teo amin’ny PK 27, ihany no nitrangan’izany. Maty tsy tra-drano avy hatrany izy roa lahy nitondra izany taorian’ny dona nahazo azy ireo. Ireo “môtô” koa potika tanteraka tsy nisy nahafantarana azy intsony. Ny fanazavana azonay hatrany no nahafantarana, fa niala Sprinter no nahatonga ilay “môtô” iray nivily làlana ka izao nifatratra tany amin’ny “môtô” hafa izao.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici