Saika tomefy olona foana iny faritra Analakely sy ny manodidina iny amin’izao an-katoky ny fetim-pirenena izao, indrindra fa noho ity toerana ity tsy natao ho an’ny fiara intsony noho ireo hetsika isan-karazany nomanin’ireo tompon’andraikitra. Mazava ho azy fa ambohi-pihaonan’ireo tontakely isan-karazany eny an-toerana. Maro dia maro araka izany ny fitarainana voarain’ireo mpitandro filaminana mahakasika izany firongatry ny tsy fandriampahalemana izany. Eo anatrehan’izay indrindra, dia tsy mitsahatra ny mitandro hatrany ny filaminana eny an-toerana ireo pôlisy, ka tamin’izay indrindra no nahatrarana tovolahy efatra, efa fanta-daza tanteraka amin’ny resaka harom-paosy sy fanendahana, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny pôlisy hatrany dia efa rain-dahiny tanteraka amin’izany asa ratsy izany ireto efa-dahy voasambotra ireto. “Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana, fa efa tena ela izy ireo no nanao izao asa ratsy izao” hoy ny vaovao. Tsy vitan’izay anefa, fa efa matetika migadra izy ireo noho io resaka fanendahana io hatrany. Isan’ireo zavatra mahagaga eto amintsika mihitsy , satria dia toa ataon’izy ireo toeram-pialana sasatra ve sanatria sa toerana fananganana andian-jiolahy indray ny fonja, izay raha ny tokony ho izy dia toeram-pibeazana sy fanarenana. Fa raha hiverenena kely ity resaka tsy fandriampahalemana mahazo vahana eto an-drenivohitra ity, dia tsy nisalasala ireto olon-dratsy ireo nilaza teo anatrehan’ireo mpanao fanadihadiana, fa amin’izao fotoana mahabetsaka olona mifamezivezy izao mihitsy no tena fanararaotan’izy ireo “miasa” ihany koa. Inoana fa mba hitohy torak’izao hatrany ny ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy, hahafahan’ny Malagasy mifety am-pilaminana.
m.L