- Publicité -
MG
jeudi 18 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnosy : Mpangalatra môtô rain-dahiny, tratra am-bodiomby

Anosy : Mpangalatra môtô rain-dahiny, tratra am-bodiomby

Tovolahy iray, fantatra amin’ny petak’anarana hoe Karàna no tratra am-bodiomby saika haka môtô an’olona tetsy Anosy ny talata lasa teo. Raha mbola variana nikarakara antontan-taratasy tao amin’ireo birao maromaro eny an-toerana ny tompon’ity môtô scooter ity no niditra tao amin’ny “parking” nipetrahany i Karàna. Nilaza fa nirahin’ilay tompony ity mpangalatra ity tamin’io fotoana io, haka an’ilay môtô raha nanontanian’ilay mpiandry ny toeram-piantsonana. Tsy nisy marika nahafantatra an-dranamana mihitsy ho mpangalatra. Novelominy ilay scooter dia velona soa aman-tsara. Teo an-dalàna hitondra ity halatra anefa izy no notazomin’ilay mpiandry “parking”. Angamba somary mailo ity farany ary tsy navelany raha tsy niantso ilay olona nampaniraka azy teo imasony teo. Ary dia namoaka finday tokoa i Karàna, niantso olona. Ny tsy nampoiziny anefa, nipoitra tampoka ny tena tompon’ilay môtô, ary nilaza fa tsy nampaniraka olona izany haka ny môtô. Tratra am-bodiomby tanteraka ny lehilahy. Vetivety foana teo ihany koa dia nitangorona ny olona ary samy nanampatra ny hatezerany avokoa tamin’ity mpangalatra môtô. Nentin’ireto nahatratra azy tany amin’ny zandary tetsy Betongolo ity mpangalatra efa ela nitoratorahana ity. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa rain-dahiny tanteraka amin’ny fanendahana môtô i Karàna. Raha ny fantatra mantsy dia môtô ana mpisolo vava iray teny an-toerana no efa very tao amin’ilay toeram-piantsonana. Mety ho anisan’ireo nangalatra ity tovolahy ity. Torak’izany ihany ny scooter ana tovovavy mpilalao sarimihetsika iray very teny Ankatso. Mbola voatazona eny amin’ny biraon’ny zandary ity mpangalatra môtô raha ny angom-baovao hatrany. “Eo am-panaovana ny fanadihadiana azy izahay izao. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa mantsy ny fitarainana sy fitoriana azonay” hoy ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici