- Publicité -
MG
jeudi 18 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversManja : Fitifirana zandary, olona iray voasambotra

Manja : Fitifirana zandary, olona iray voasambotra

Taorian’ilay fitifirana ka nahafatesana zandary iray tany amin’ny fokontany Antanimbaribe, ao amin’ny kaominina Marerano, distrikan’i Manja, dia fantatra fa olona iray no nosamborin’ny zandary,  izay tsy iza fa tompon’ny trano nipetrahan’ireo dahalo nitifitra ity mpitandro filaminana ity. Araka ny fampitam-baovao azo, taorian’ny zava-nitranga, dia nidina avy hatrany tany an’ny toerana ny zandary nanao fanadihadiana. Tsy tratra teo amin’ilay toerana intsony ireo nitifitra. Na izany aza, natao savahao ny toerana niantranoan’izy ireo. Tamin’izany no mbola nahitana basim-borona iray, fitoeram-bala iray izay nisy bala 13. Mbola nahitana bala tokana miisa enina ihany koa tao ary bala vita gasy roa. Nosamborina avy hatrany io tompon-trano io. Tamin’ny fanadihadiana azy no nahafantatra fa niisa roa ireo olona nitifitra ilay zandary. Tsiahivina fa ny alatsinainy lasa teo no niseho ity tranga ity. Namita iraka tany amin’io fokontany io ny zandary roalahy. Raha nivoaka handeha hivalan-drano tany ivelany anefa ny iray tamin’izy ireo dia tifitra variraraka avy hatrany nitsena azy. Maty tsy tra-drano ity farany tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra dia eo am-pikarohana fatratra ireto roalahy namono ireto ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici