- Publicité -
mercredi, mai 18, 2022
DomicileFaits-DiversAmbatoroka : Fiara vao novidina nofaohin'ny kamiao

Ambatoroka : Fiara vao novidina nofaohin’ny kamiao

Fiara kely miloko mena, vao nivoaka ny vavahady ary vao ny lohany fotsiny no nahazo ny arabe, no nofaohin’ny kamiao mpitatitra entana. Simba tanteraka ny lohan’ilay fiara ary tapaka tanteraka ihany koa ny làlana. Ny olona teo an-toerana dia nanazava fa zara raha notaingenina ilay fiara no io niharan’ny lozam-pifamoivoizana io sahady. Nandritra ny ora roa mahery no sempotra ny fifamoivoizana ary maty tanteraka ilay làlana mandra-panisaka ireo fiara. Nifanandrify tamin’ny lera fivoahan’ny mpianatra rahateo izany hany ka nanampy trotraka ny fitohanana ny zava-nitranga. Sady tery no feno lavaka iny làlana iny,  hany ka raha vao miampy tsy fitandremana avy amin’ny mpamily dia lozam-pifamoivoizana avy hatrany ny vokany. Fiara an’arivony isan’andro anefa no mifamezivezy eo, satria iny no lalan-tokana ho an’ny mponina izay mipetraka na miasa amin’ny faritra Atsimo-atsinanan’Antananarivo iny.
D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici