- Publicité -
mercredi, mai 18, 2022
DomicileFaits-DiversAmborovy : Jiolahy roa tratehaka, niharahan’ny fitsaram-bahoaka

Amborovy : Jiolahy roa tratehaka, niharahan’ny fitsaram-bahoaka

Afak’omaly tokony ho tamin’ny 4 ora hariva tany no niseho ity tranga ity teny amin’iny faritra Amborovy iny. Jiolahy roa no tratran’ny fokonolona teo ampanaovana ny asa ratsiny, niharan’ny hatezeran’ny olona avy hatrany. Vokany, naratra mafy ireto mpanao ratsy ireto, ary vaky tanteraka ny masony. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa lehilahy hanatitra vola “versements” izay fantatra fa mitentina iray tapitrisa no norahonan’ireto jiolahy ireto, lasan’izy ireo tamin’izany io vola be io niaraka tamin’ny firavaka volamena sy finday. Nisy nahatsikaritra kosa anefa ny manodidina ka namonjy avy hatrany nanenjika ireto jiolahy roa ireto izay efa eo andalam-pitsoahana. Tratehaka izy roalahy ireto ary namely sy nanala ny fony avokoa ny olona rehetra, rehefa naratra mafy izy ireo dia naterin’ny olona avy hatrany teny amin’ny manampahefana, ka ny teo anivon’ny zandarimaria no nandray an-tanana ireto jiolahy roa ireto.

Finaritra Rakoto (Stagiaire)

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici