- Publicité -
mercredi, mai 18, 2022
DomicileFaits-DiversAnkadinondry Sakay : Miaramila tratra nanafika toeram-pivarotana

Ankadinondry Sakay : Miaramila tratra nanafika toeram-pivarotana

Am-bodiomby ! Noho ny antso ara-potoana avy tamin’ireo mponina, dia jiolahy telo saika hanafika toeram-pivarotana iray, tao Mahatsinjo Ankadinondry Sakay, no tra-tehaky ny zandary, ny talata hifoha alarobia lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana fa miaramila ny iray tamin’izy ireo, izay mbola am-perinasa tokoa, araka ny fanazavana azo avy tamin’ny Kômandin’ny vondro-tobim-pileovana Bongolava. Tratra tamin’izany ihany koa ny basy Kalach iray, niaraka tamin’ny fitoeram-bala, nisy bala 16 sy taim-bala 13. Araka ny fampitam-baovao avy tany an-toerana, dia teo am-piomanana ny hanafika ity mpivarotra ity mihitsy izy telolahy ireto no nigadona ireo mpitandro filaminana, niarahan’ny zandary sy ny miaramilan’ny Das. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tsy nahaleo ireo mpitandro filaminana tsara hofana anefa iretsy jiolahy, eny fa na nisy olona mahay mitana basy ihany aza tao aminy. Voatifitra teo amin’ny sorony ny jiolahy iray, izay araka ny fanazavana azo hatrany, dia dahalo nandositra avy any Atsimo. Nilavo lefona ary azo sambo-belona kosa ny roalahy namany. Io basy “kalach” io niaraka amin’ny zava-maranitra toy ny famaky sy pilotra no nentin’ireto olon-dratsy ireto nanafika tamin’io fotoana io. Araka izany, tsy mbola nahazo n’inona n’inona ireto jiolahy ireto tamin’io fotoana io. Fantatra kosa fa efa nentina notsaboina ilay jiolahy voatifitra, ary notazonina hatao fanadihadiana ao amin’ny biraon’ny zandary Ankadinondry ireo roalahy namany. Amin’ny toe-javatra tahak’itony, indrindra fa hoe raharaha maloto misy hidirana mpitandro filaminana, dia tsotra ny efa navalin’ireo tomponandraikitra ambony, indrindra fa ny eo anivon’ny zandarimaria, fa tsy handefitra amin’ireo mihoa-pefy izy ireo. Asa ny eo anivon’ny Tafika, indrindra fa tato ho ato izay dia saika voatonontonona ny miaramila.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici