- Publicité -
lundi, mai 23, 2022
DomicileFaits-DiversAnosibe : Mpirafy niady , niditra hopitaly ny tompom-bady

Anosibe : Mpirafy niady , niditra hopitaly ny tompom-bady

Omaly tokony  ho tamin’ny 1 ora tolak’andro teo no niseho ity tranga ity teny amin’iny faritra Anosibe iny. Mpirafivavy niady lehilahy hoy ny filazan’ireo tanora azy no nifampitolona teny an-dalambe. Araka ny vaovao voaray dia  efa mpiady matetika ireto mpirafy ireto saingy tamin’ity indray mitoraka ity kosa no nisy faharatrana toy izao teo amin’ny tompom-bady. Araka ny fanazavan’ity ramatoa vady an-trano ity dia efa nandrasan’ity rafivaviny ity kendritohina izy ka izao novonoiny izao. “Fantany ny lalako isan’andro ka nandrasany teo amin’ny elakelan-trano fandehanako aho dia izao voa izao” hoy hatrany ny fitantaran’ity ramatoa ity. Naratra mafy vokatr’izany ity farany ka voatery naiditra hopitaly avy hatrany. Marihina fa teo  ilay rangahy mpampirafy nandritra io fotoana io saingy tsy nahavita na  inona na inona noho ny henatra teo amin’ny fiaraha-monina. Araka ny fitantaran’ity ramatoa ity hatrany dia andro nandraisany vola io andro io ka very tao anatin’izany ny karama rehetra izay noraisina. Tsy nanaiky ny tompom-bady fa nametraka ny fitoriana avy hatrany teny amin’ny polisy noho ny faharatrana nisy teo aminy sy ireo vola very.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici