- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
DomicileFaits-DiversAnkorondrano : Ankizivavy kely 14 taona nofaon’ny moto, tapaka lohalika

Ankorondrano : Ankizivavy kely 14 taona nofaon’ny moto, tapaka lohalika

Omaly tokony tamin’ny 9 ora maraina teo no nitrangan’ity loza ity teny amin’iny faritra Ankorondrano antsinanana iny. Ankizivavy kely izay mbola erotrerony tokoa izay fantatra fa handeha hivarotra kifafa mandehandeha no nofaohin’ny moto .Vokany, ny lohalik’ity zaza ity no fantatra fa voa mafy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa maika hamonjy fahoriana ireto mpivady nandona azy ireto ka diso nandeha mafy loatra, teo  no niteraka ny loza. Tsy afa-nandeha moa ity zaza ity ka nantsoina avy hatrany ny reniny, marihina fa nisy polisy 2 ihany koa teo nandritra io loza io izay namakafaka ny zava-nitranga, nanadihady ireto mpivady nandona ireto. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly kosa ity zaza ity ary fantatra fa nanome vola an’izy mianaka ny nandona , vola mitentina 6 alina ariary ,ankoatra ny vidim-panafody izay lany eny amin’ny hopitaly. Ireto mpivady nandona  kosa mbola nasainy ny polisy namonjy teny amin’ny “commissariat centrale” tetsy Tsaralàlana mba hanao filazana fa nandona olona.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici