- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMorondava : Saika may ny orinasa Sukoma

Morondava : Saika may ny orinasa Sukoma

Nisahotaka indray ny tao Morondava, omaly efa hariva tany amin’ny 5 ora tany ho any. Nisy afo nirehitra nanodidina  ny Sukoma, orinasa fanamboarana siramamy tany an-toerana,. Maro ny mpitandro filaminana miambina azy io amin’izao fotoana hanamboarana azy izao. Raha vao nahita ny afo ny rehetra, dia nifarimbona nanao izay nandresena izany. Nandray anjara tamin’ny famonoana ny afo ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona any an-toerana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ny kirihitra manodidina no lasibatry ny afo, omaly io. Tsy tafapaka tany amin’ny faritry ny orinasa ny afo araka izany fa vetivety ihany dia voafehy. Tsy nisy nahasimbana, araka ny vaovao voaray ilay toerana. Tombanan’ny olona tany an-toerana, fa mety ho avy amin’ny fandorana baiboha manodidina ilay orinasa no niitatra ka izao saika nitera-doza izao. Etsy an-daniny koa, mbola maro ireo fatim-by eo amin’ilay toerana izay be mpitsiriritra. Tsara ambina anefa ny manodidina ka tsy nisy tafiditra ireo voalaza ho mpangalatra. Omaly hariva ihany moa dia efa nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana, ahafantarana marina ny amin’ity firehetana ity. Ho hita eo aorian’izany ny tena zavatra nisy marina.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici