Mitaintain-dava ireo tranom-barotra sy mpivarotra ary mpandraharaha eto Toamasina I sy ao Toamasina II, ankehitriny. Tao anatin’ny herinandro mantsy dia trangana fanafihana mitam-piadiana amin’ny alalan’ny basim-borona sy basy PA no niseho tamin’ireo distrika roa ireo.
Foulpointe – Andodabe. Nanomboka ny alatsinainy 03 oktobra teo, dia nisehoana fanafihana mitam-piadiana hatrany ny kaominin’i Mahavelona Foulpointe, amin’ny lalam-pirenena faha-5 iny. Tranga efatra be izao no niseho tao anatin’izany. Ireo tranombarotra heverin’ireo andian-jiolahy manao andiany 3 ka hatramin’ny 6 fa misy vola dia lasibatra avokoa. Hatreto aloha, dia tsy nisy ireo namoy ny ainy na teo aza ilay nitranga tao amin’ny kaominin’AndodabeToamasina II, 21 km miala ny kaominin’i Mahavelona Foulpointe, ny talata alina teo izay naha-voatifitra nylefitry ny ben’ny Tanana sy nandoroan’ireo andian-jiolahy ny tranony ary nahalasa ny vola tao aminy, izay nifangaroana valifaty sy asan-jiolahy raha ny fanazavana azo.
An-jatony tapitrisa ariary. Ny etoToamasina no tena hafa kely, satria hain’ireo andian-jiolahy mpitondra basy PA manao andiany 4 hatramin’ny 5 ny fizotran’ny fisafoana Tanàna ataon’ireo mpitandro ny filaminana, ka mifanaraka amin’izany ny fanafihan’izy ireo ny tranombarotra sy fivarotana kendreny. Efa matihanina izy ireto, satria tsy mihoatra ny 3minitra ny fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, ary vonona amin’ny fampiasana ny basy PA entin’izy ireto amin’ireo miezaka ny mamalyazy. Tranombarotra Su Lone bazary be, Cyber-café taoAmbohijafy, mpivarotra taoTanambao V, ary ny farany teo dia ny Airtel Bd de l’UA, no lasibatra. Raha atambatra dia mahatratra an-jatony tapitrisa ariary ny vola very nandritra ireo fanafihana ireo.
“Vokatra”herinandro. Tsy niolaka ny “prefet”-n’i Toamasina Benandrasana Cyrille raha namory ireo tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka etoToamasina tao amin’ny birao fiasany ao Mangarano II, fa “mila vokatra haingana amin’ny fisamborana sy fahatrarana ireo andian-jiolahy ireo ny vahoaka sy ny fanjakana, ka herinandro no omena anareo hahavita izany”. Ny zava-misy izao nefa efa tsy ampy amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ireo mpitandro ny filaminana, dia manarama zandary sy polisy avokoa ireo tranombarotra sy toeram-barotra mpikirakira vola be izay teratany karana ny ankamaroany. “Mila miaina filaminana ny vahoaka, ka tsy azo ekena ny zava-misy iainany izao” hoy hatrany i Benandrasana Cyrille.
Nanomboka ny alarobia teo, dia nampitomboina ny fanaraha-maso na andro na alina ho an’iToamasina I. Nanova fomba fiasa ihany koa izy ireo ka misy ireo mandeha môtô sy an-tongotra manao fanamiana sivily. Nohamafisina kosa ny fitsidihana ireo kaominina samihafa ho an’nyToamasina II.
Malala Didier