- Publicité -
samedi 25 juin 2022
DomicileFaits-DiversToamasina : Nisy namaky ny OMH

Toamasina : Nisy namaky ny OMH

Tena mirongatra  ny asan-jiolahy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao. Tsy vitan’ny mpivarotra sy ny tokantranon’olon-tsotra intsony no lasibatra, fa efa hatramin’ny biraom-panjakana. Ny herinandro lasa teo, ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny solika (OMH) no nisy namaky.  Lasa tamin’izany ny solosaina  telo, solomaso  44, ary vola mitentina efatra hetsy ariary teo ho eo. Tsy fantatra hatreto izay jiolahy nandroba ity biraom-panjakana ity, fa ireo tomponandraikitra tao no nampandre ny mpitandro filaminana. Efa mandeha moa ny famotorana ataon’ny Tobim-paritry ny zandary ao Toamasina, mahakasika ity resaka asan-jiolahy  ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici