- Publicité -
vendredi 1 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnalakely : Notondrahan’ny Kaominina rano ny mpiantsena

Analakely : Notondrahan’ny Kaominina rano ny mpiantsena

 

Tamin’ny 10 ora maraina, omaly, tetsy Analakely. Mifanitsa-kitro ny olona miantsena eny an-toerana. Tsy mahagaga izany noho ny maha faran’ny herinandro ny andro, no sady manararaotra mitady izay azo atao laoka ihany koa ireo mpiangona vao avy nirava. Tamin’io fotoana io mihitsy koa anefa no tsy misy tahotra na fiahorana kely akory ireto mpiasan’ny Kaominina,izay tsy maintsy arahina bokonozatra foana moa, « mpiaro » azy ireo, manondraka tsy tamim-pisalasalana rano amin’ny alalan’ny fantsona eny an-toerana. « Manadio ny tsena hono ». Mifantsintsitra sy miparitaka aok’izany. Na io ilay rano hanondrahana na ny rano maloto. Tsy misy fitsinjovana na dia kely monja aza ireo mpivarotra marobe, izay saika sakafo avokoa no amidin’izy ireo. Fa indrindra indrindra ireo mpandalo sy mpiantsena. Toy ny nahazo ity rangahy ity iray, miakanjo mihaja nihosona tanteraka. Satria efa voatondraky ny ranon’ilay fantsona tetsy andaniny no mbola nipitihan’ny rano maloto tetsy an-kilany. Mety  hoekena ary angamba tsy ho lavin’ny rehetra fa tsara ny madio sy manadio ny tanana, saingy angaha moa tsy azo atao ny hariva izany na amin’ny fotoana izay mahavitsy kokoa ny olona. Ary raha hoe fahadiovana no resahana, tsy maintsy hoe ilay toerana nisy ireo mpivarotra sy mpiantsena marobe ve no notondrahana ? Fa ny « esplanade » izay eo akaiky eo ary vitsy olona mandeha no avela ho maimbo ny fofona maloto isan-karazany ? Toa miendrika filam-baniny sy sotasota izany, hoy ny menomenon’ireo olona teny an-toerana sendra ity toe-javatra hafakely omaly ity. Angamba, hoy izy ireo, mbola tsy nahatonga saina ireo tomponandraikitra ny zava-nitranga, nampifanolana ny mpivarotra sy ny kaominina tamin’iny herinandro iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

4 COMMENTAIRES

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici