Fiara tsy mataho-dàlana iray nitondra olom-panjakana sy mpanao pôlitika no niharan-doza teo amin’ ny 30 kilaometatra miala an’Ambanja, omaly hariva. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia niala lalana ary nivadibadika ambony ambany ity fiara ity. Mba tsy nisy aloha ny aina nafoy. Na izany na tsy izany anefa dia samy naratra avokoa ireo olona efatra tao anatiny. Mpanao pôlitika diso fantatry ny rehetra ny iray, Ing. Vaovao Benjamin, ary olom-panjakana akaiky ny Praiminisitra ny roa, niaraka tamin’ny mpamily. Avy namonjy ny filan-kevitry ny ministra tany Diego ireto olona ireto, raha ny fantatra, ary handeha hitodi-doha hiverina aty an-drenivohitra no izao tra-doza izao. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho fandehanana mafy no nahatonga izao loza izao. Tsy voatana intsony ny familiana ary niafara tamin’ny fivadibadihana. Natao avokoa ny famonjena ireo olona tao anatin’ity fiara ity, ary nezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana. Fantatra fa tsy misy atahorana ny ain’ireo naratra raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Izy ireo rahateo efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy tsirairay.
Nangonin’i m.L