- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAndohananalakely : Tovovavy noborian’ny mpanendaka ny volony

Andohananalakely : Tovovavy noborian’ny mpanendaka ny volony

Tokony ho tamin’ny enina ora hariva, ny talata teo, no nitrangan’ity asan-jiolahy ity. Tovovavy iray izay handeha haka fiara iombonana teo Andohananalakely no lasibatry ny telo lahy. Nanendaka izy ireo saingy ny tena nalaina sy nokendrena dia ny…volon’ilay vehivavy. Lava volo io farany. Ny roa tamin’ny jiolahy nitazona azy ary ny iray kosa efa nivatsy hety. Noboriana avy hatrany ilay volo tsotra sy lava. Tsy nijanona teo fa mbola nohararaotina nalaina ihany koa ny paoketra nentin’ilay tovovavy, izay raha araka ny fanamarihana azo dia 18 taona. Fanindroany izay no nisian’ny tranga mitovy amin’izao dia ny halatra volo izany. Ny iray teny ambony fiara iombonana izay tratra tao anaty fitohanana no nohararaotina notapahina ny volony. Nipetraka teo akaikin’ny varavaran-kely ilay vehivavy tamin’io fotoana io ary ireo jiolahy kosa avy aty ivelany no nisintona sy nanapaka ny volony. Mandeha ny feo fa misy mividy ireo volo izay raha mitombina ny eritreritry ny olona dia hanaovana tovana. Ahiana ho ireny toeram-pikojakojana tarehy sy taovolo ireny no ao ambadik’ity fanendahana volo eto an-drenivohitra ity. Mety ho tsy maniraka izy ireo fa kosa mividy ary tsy mahafantatra izay niavian’ny volo akory. Midika izany fa tokony ho vehivavy ary manana kara-panondro no mivarotra volo mba hisorohana an’ity endrika asan-jiolahy vaovao ity. Ankoatra izany dia tokony ho eo an-toerana ihany no hanaovana ny fanapahana azy mba hahitàna fa tsy volo halatra akory no novidiana. Rehefa tsy misy fanamarinana (traçabilité) izany dia tokony ho azo enjehina ny mpividy volo ary torak’izany ihany koa ny mpivarotra azy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici