- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAnkadindramamy : Fiara nanao lozam-pifamoizoizana nitsoaka, nampijanonina tamin’ny tifitra

Ankadindramamy : Fiara nanao lozam-pifamoizoizana nitsoaka, nampijanonina tamin’ny tifitra

Ny talata lasa teo, fiara iray no nandona zavatr’olona sy namotika fiara hafa ka nitsoaka, tetsy Ankadindramamy. Voatery nampiasa basy ireo mpitandro filaminana nanenjika an’ity fiara ity mba hampijanona azy. Tratra tetsy Betongolo ilay fiara, rehefa voatifitra teo amin’ny kodiarany. Telolahy no tao anatiny ary samy efa mamo avokoa, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any no niseho ity tranga ity. Handeha hiditra ny tanana ilay fiara, kanefa dia nandeha mafy be toy ireny eny amin’ny lalam-pirenena ireny ihany. Nisongona izay fiara rehetra teny an-dalana izy io. Nony tonga teo Ankadindramamy anefa, tsy nirarahara ny lalana tery ilay mpamily tao anatiny. Tapitrisa nofahaony avokoa ireo latabatry ny mpivarotra teny amin’ny sisin-dàlana. Ambonin’izay, mbola namotika fiara “Sprinter” iray nijanona teo amoron-dàlana ity fiara kely ity. Zandary roalahy handeha hamonjy asa no nahita ny nataon’ilay fiara ka nandray ny andraikiny avy hatrany nampijanona. Tsy nety nijanona anefa ity farany fa vao mainka nampitombo ny hafainganam-pandehany, handositra. Voatery nanenjika araka izany ireto mpitandro filaminana ireto ary tratra ilay fiara raha tetsy Betongolo. Tsy nety nivoaka avy tao anaty fiara indray anefa ny mpamily sy ny olona tao anatiny. Nanapoaka basy ireo zandary nitifitra ny kodiarana, mba tsy ahafahan’ity farany mandeha intsony. Nibaboka nivoaka ireto farany ary tamin’izay no nahitàna fa samy efa vonton’alikaola avokoa. Notanana natao famotorana tao amin’ny borigadin’ny zandary teo akaiky teo ihany moa ity telolahy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici