- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversHopitaly Soavinandriana : Mpamosavy nisandoka ho mpitsabo

Hopitaly Soavinandriana : Mpamosavy nisandoka ho mpitsabo

Feno ody gasy ny paoketrany. Voan-kazo sy vovo-javatra raha araka ny fanamarihan’ny zandary izay nanao fanadihadiana azy. Ramatoa iray efa lehibe, tokony ho 70 taona, no tonga tao amin’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana. Niditra tsimoramora tao amin’ny sampandraharaha “gynécologie obstétrique” rehefa avy nangalatra fanamiana tao amin’ny trano fisoloana akanjon’ny mpitsabo sy ny mpampivelona. Ny alin’ny sabotsy teo no nitrangan’izany. Nanaovany ny fanamiana mpitsabo : blouse manga, pataloa volomparasy, satroka fotsy ary sabot manga. Tsy nisy namantarana azy mihitsy ankoatra izy menavolo be izay tsy mendrika ny ho mpitsabo. Tafiditra tao amin’ny birao iray izy ary avy hatrany dia naka ny toeran’ny mpitsabo avy hatrany. Zazakely no nojereny tao ary ny tena nanaitra ny ray aman-dreniny dia tsy nisy nandeha amin’izay laoniny ny soso-kevitr’ilay mpitsabo sandoka. Nifanohitra tanteraka tamin’ny nolazain’ny mpitsabo efa mahalala ny toe-pahalasaman’ilay zazakely. Teo dia nampandre ny mpiandry raharaha tao ambany ireo ray aman-dreny. Niakatra avy hatrany ireo ary hita fa tsy mpitsabo velively ao amin’io hopitaly io ilay ramatoa nitondra ody gasy marobe tao anaty paoketrany. Nosamborina avy hatrany ary natolotra ny zandary. Nanaiky ny helony izy ary ny antony nanaovan’izany kosa dia mbola notanan’ny mpanao fanadihadiana ho tsiambaratelo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici