- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversItaosy : Voatery niala tamin’ny trano nofainy ry Tence Mena omaly

Itaosy : Voatery niala tamin’ny trano nofainy ry Tence Mena omaly

Misy olona goavana eo amin’ny trano hipetrahan-dry Tence Mena koa dia nanapa-kevitra ireto farany fa hiala tsy nisy hatakandro tao amin’ilay toearana. Nahatsiaro ho voahilikilika izy ireo na dia tsy miankina aminy mihitsy aza ny zavatra niseho.  Izay no zava-nitranga teny Itaosy, tao amin’ny Villa Namaza House, omaly maraina. Olana teny amin’ny Fitsarana mahakasika ilay trano nofaina ilay izy. “ Tsy te hiditra amin’ny probelaman-dry zareo aho fa aleoko miala androany androany ihany. Tsy nahalala na inona na inona momba ny trano izahay. Ny Assistant-ko no nahita ny trano dia nifanaraka tamin’ireo olona milaza hoe tompontrano fa izaho tany Frantsa tamin’izay fotoana izay”, hoy i Tence Mena, nahatsiaro ho voafitaka tanteraka.

Ny voalaza etsy ambony hatrany no hilazana fa tsy misy hidiran’ny tarika ity zavatra ity. Mifamahofaho ny zava-misy. Etsy andaniny, ireo milaza fa tompon’ny trano naorian’ny ray aman-dreniny dia manizingizina fa azy io trano io. nahavariana azy ireo ny nahita ireo olona  manana taratasy ara-dalàna miaraka amin’ny sertifika jiridika misy ny anarany omaly maraina

Ho an’ny tarika dia ny fialana amin’ny trano no zava-dehibe amin’izy ireo, na tratran’ny tsy fidiny aza, satria tsy misy idirany mihitsy ilay raharaha fa voafitaka tanteraka izy. Ny olona milaza ho tompon’ny trano ka nampanofa kosa, dia azo ambara fa feno fahasahiana tanteraka satria fantany ny tantaran’ny trano lazainy fa azy io, fa misy olana ary ny taratasy dia manambara fa tsy izy irery no tompony fa misy olon-kafa.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici