- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversIvato : « Grenady » sahala amin’ilay teny Mahamasina no nipoaka teny...

Ivato : « Grenady » sahala amin’ilay teny Mahamasina no nipoaka teny amin’ny A&C

Taorian’ilay fipoahana niseho teny amin’ny hotely A&C teny Ivato ny alin’ny voalohan’ny volana novambra 2016, nandeha ny fanadihadiana natoan’ny mpitandro filaminana. Ny zandary avy ao Imerina central tohanan’ny sampana fikarohana ady heloka bevava Ankadilanana no misahana ny famotorana rehetra. Fantatra avy amin’izany fa rehefa hita ny potik’ilay zavatra nirefotra dia manombana ry zareo fa « mitovy amin’ilay nalefa teny Mahamasina tamin’ny fetim-pirenena io natoraka teny amin’ny hotely Ivato io ». Ny alin’ny nisehoan’ny fanapoahana, tonga teny an-toerana avokoa ny avy ao amin’ny sampana samihafa miady amin’ny fampihorohoroana. Sampan-draharaha tsy miankina no hanao ny fitiliana an’ireo potika « grenady » ireo. Anio, araka ny loharanom-baovoa, no ho fantatra ny valin’izany. Ho an’ireo mpanao famotorana, ankoatra ny efa re omaly, nitondra fanampim-baovao izy ireo. Rehefa nipoaka ilay « grenady » natsipy dia nanimba ampahany tamin’ilay toerana vaovao hamboarina indrindra teo amin’ilay « parking ». Nahasimbana kely ny sisiny avaratr’io toerana io.

Omaly ihany dia efa nisy resadresaka nifanaovan’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana tamin’ny tompon’ny hotely. Tamin’izany no nilazan’io farany fa « tsy misy olona ahiany aloha hatramin’izao, ary nohamafisina fa tsy manana fahavalo ny tenany ». Tsy afaka nilaza izy araka izany na nokendrena manokana tamin’ity fampihorohoroana ity na tsia. Etsy andaniny, ny vaovao fantatra hatrany no hilazana fa matetika no tonga mijery ny fivoaran’ny asa fanitarana atao eny an-toerana io tompony io. Ireo mpanara-baovao dia samy manana ny filazany avokoa mikasika iny asa « fampihorohoroana iny ».

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici