- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
DomicileFaits-DiversToliara : Mpangalatra « moto » saika matin’ny olona

Toliara : Mpangalatra « moto » saika matin’ny olona

Ela nanaovan-dratsy sy nambotrina vahoaka, ka sendra ny nahay azy. Tovolahy iray 25 taona eo ho eo, izay tra-tehaka saika hangalatra “ moto ” no naratra mafy saika matin’ny olona, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora, tao Sanfily Toliara. Niantsena ny tompon’ilay moto ary napetrany teo amoron-dalana ny kodiaran-droany. Raha vao dify kely ny tompon’io soavalivy io dia tsy nisalasala ity tovolahy iray nanatona an’ ilay “ moto ”, ary namoaka fanalahidy maro avy any am-paosiny. Gaga tamin’ny fihetsik’ity tovolahy toa mahana ity ireo teo amin’ny manodidina nanatri-maso ny zava-nisy. Fitahian-janahary, niverina tampoka ny tompon’ilay “ moto ” fa handino tao anaty “boite à gant” ny vola hiantsenana ka noraisim-potsiny ilay jiolahy. Velona ny “hazolava”. Vory ny olona ka nidaroka an’ilay mpangalatra, ary voavely hazo teo amin’ny lohany ity jiolahy ka safotra, hoy ny vaovao.

 Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici