- Publicité -
jeudi 23 mars 2023
DomicileFaits-DiversToamasina Renivohitra : Fako mivangongo, dorana sisa fa tsy afaky ny kaominina...

Toamasina Renivohitra : Fako mivangongo, dorana sisa fa tsy afaky ny kaominina intsony

Sahirana ara-bola ny kaominin’i Toamasina, hany ka mivangongo ny fako eran’ny tanàna. Isany goavana amin’izany, ny amin’ireo tsena lehibe 5 eto Toamasina: Bazary kely, Bazary tranon-jiro sy Bazary may Ankirihiry, Bazary Manangareza, ary bazary Ambolomadinika.

Ny tena olana dia ity fako maro mivangongo 300m miala ny Lapan’ny tanana, 50m miala ny sekoly katolika “Saint Joseph de Cluny” sy “Notre Dame de Lourdes”, 10m miala ny birao vaovaon’ ny boriborin-tany sy ny fokontan’Ambodimanga,  ny trano famakiam-bokin’ny kaominina, ary manodidina ireo tranom-barotra samy hafa ao Bazary be ihany koa. Efa tsy afaka intsony ity fako be mivangongo ity, ka mazana dia doran’ireo mpiasan’ny kaominina izany mba handevona azy, izay miteraka fofona sy setroka be amin’ny mponina sy mpiasa manodidina mandritra izany.

Ankoatra izany, dia fantatra anefa, fa 2 miliara ariary nampiana 1.5 miliara ariary ny vola na solika natokana tamin’ny fanalana ny fako tamin’ity taona ity. Amin’ny teti-bola vaovao izay mbola ady be ny zava-misy amin’ny ho fandaniana izay nanaovan’ny mpanolotsaina fivoriana tsy ara-potoana mihitsy; dia manodidina ny 3 miliara ariary no hatokana amin’ny resaka fako eto Toamasina renivohitra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici