- Publicité -
jeudi 11 août 2022
DomicileFaits-DiversToliara : Sinoa mpanangom-bokatra voatafika

Toliara : Sinoa mpanangom-bokatra voatafika

Mitovy tanteraka tamin’izay niseho tany Ambanja ary notaterina omaly tamin’ny vaovao, ny zava-nitranga, ny toerana fotsiny no tsy nitovy. Teo akaikin’ny Lycée Laurent Botokeky, ao Toliara Renivohitra no niseho ny fanafihana ny harivan’ny alahady teo. Mpanangom-bokatra sinoa izay efa makamaka aina ao an-tranony no nidiran’ny jiolahy izay tsy voafaritra isa, mitazona PA sy basy lava tsy latsaky ny telo. Nanararaotra niditra ny vavahady izy ireo raha nisy olona niditra teo anoloany handeha hanatitra entana. Norahonany ny vadin’ny mpiambina sy izay rehetra tao an-trano.

Lasan’ireo jiolahy nandritr’ity fanafihana ity, ny vola mitentina iray tapitrisa ariary sy ny kojakoja maro tao an-trano.

D.R

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici