- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbatondrazaka : Misy « ninja » manakan-dalana sy manafika

Ambatondrazaka : Misy « ninja » manakan-dalana sy manafika

Raha nihorohoro fatratra  ny mponina ambanivolo manodidina ny tananan’Ambatondrazaka teo aloha teo  dia nanao ezaka ny teny anivon’ny kaompanian ‘ny zandarimarian’Ambatondrazaka ka tambazotrana jiolahy mitam-piadiana no sarona sy rava , taorian’ny fanafihan’izy ireo ny ben’ny tanàna’ny kaominina ambanivohitra Ambohiborimanga iray volana lasa izay . 7  mirahalahy ireto jiolahy ireto miaraka amin’ny saron-tava mainty, ary manakana ny fiara tonga amin’ny alina amin’ny RN 44 sy ny Tanàna manodidina izay mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika  .Mbola tratra tamin’izy ireo ny vanja fanamboarana bala sy  fitaovampiadiana fa mbola karohina ny fitaovana hafa. Niaiky izy ireo taorian’ny fanadihadiana teny anivon’ny zandary  amin’ny asa ratsy ataony ary efa  natolotra ny fitsarana. Manao antso amin’ny rehetra ny mpitandro ny filaminana  avy eny anivon’ny kaompanian’Ambatondrazaka fa  raha nihorohoro ny mponina teo aloha noho ny tsy fisian’ny tsy fandriampahalemana  dia efa mandry fahalemana ny 90% ny  distrika 3 amin’izao fotoana izao ary manao antso amin’ny vahoaka ny zandary ny hifanome tànana amin’izy ireo amin’ny famongorana ny tontakely

Janus R 

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici