- Publicité -
lundi 20 mars 2023
DomicileFaits-DiversFiadanana Ambohimahasoa : Olona 8 no voasambotra noho ilay fandorana fianakaviana velona

Fiadanana Ambohimahasoa : Olona 8 no voasambotra noho ilay fandorana fianakaviana velona

Fantatra izao fa mandroso ny fanadihadiana mahakasika ilay asan-dahalo mahatsiravina nitranga tao amin’ny kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohimahasoa roa herinandro lasa izay. Fanafihana izay  voalaza fa karazana valifaty nataon’ireo jiolay ka nandoran’ireto farany trano roa ka nahafaty olona valo mianaka, nodoram-belona. Raha tsiahivina tokoa ny vaovao momba ity raharaha ity dia niharan’ny fanafihan-dahalo ity tanàna ity andro vitsy talohan’ity fandorana trano ity ka nisy tamin’ireo mpanafika no matin’ny fokonolona. Nandamoaka noho izany ilay fanafihana ka voatery nitsoaka ireo jiolahy.

Niverina tokoa ireo jiolahy ny herin’ny zoma lasa teo ka nanao tampim-baravarana ireo olona tao an-tanàna. Sady nandroba izy ireo no nandoro ny tranon’ireo olona notondroiny fa nahafaty ny namany.  Ireto jiolahy ireto izay voalaza fa afa-nitsoaka malalaka rehefa avy nanao ny nataony. Tsy nitsahatra hatreo anefa ny raharaha satria nandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana izay voalaza fa ao anatin’ny fanaovana « opération» lehibe  any an-toerana, efa ho andro maromaro izao. Fantatra ary fa jiolahy valo ahiana ho nahavita ity heloka goavana ity no efa voasambotra ankehitriny, raha ny tatitra nataon’ny solom-bavambahoaka voafidy tao Ambohimahasoa. Ity farany izay makasitraka tanteraka ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny mba hampandriana fahalemana iny faritra  iny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici