Azo lazaina fa tsy mandry ny tany ao Anjozorobe ao. Mirongatra ny halatr’omby ary mahatratra am-polony ireo jiolahy no manafika, toy ity nitranga tao amin’ny kaominina Androvakely, ny alin’ny 25 jolay ity. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena, dahalo 20 lahy nitondra basim-borona sy zava-maranitra no nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andranonahoatra, tokony tamin’ny 8 ora alina. Nanapoaka basy izy ireo no sady nandroba izay toerana rehetra nisy omby tao. Misy Nandre izany ireo miaramilan’ny DAS tao an-toerana, dia nanapoaka basy ihany koa ka vaky nandositra ireo jiolahy miaraka amin’ny omby 18 ka nizotra niatsinanana ny dian’izy ireo. Soa fa tsy nisy ny naratra na maty.
Ora vitsy taorian’io ihany tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Dahalo 4 no nanafika tao Ambohidava, fokontany sy kaominina Amboasary. Nitora-bato izy ireo ary kaboda na kobay no fitaovana nentiny. Lasa tamin’izany ny omby 7 an-dRakotondrazafy Charles sy Razafiarimanana Helène ary Rakotovelo Jean izay samy monina ao Ambohidava. Olona iray no naratra voavelin’ny kaboda izay mponina ao an-toerana ihany. Nandeha
nizotra nihazo an’Ambohibary Vohilena ny dian’omby. Efa mandray an-tànana ny raharaha ny zandary sy ny miaramilan’ny DAS any an-toerana.
T.M.