Nandriaka ny rà teny amin’iny lalan’Ivato iny ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Nahatsiravina ny fifandonana teo amina fiara efatra teny an-toerana. Vokany, olona iray no maty tsy tra-drano, olona enina hafa naratra mafy ary samy potika avokoa ireo fiara efatra nifandona. Ny iray izay tena voa mafy aza moa dia potika nizara roa mihitsy. Raha ny fanazavàna azo dia fiara iray, marika Peugeot 3008, avy eny Ivato hiakatra aty an-drenivohitra no fositr’ity loza ity. Nandeha mafy izy io, ary tsy fantatra na olana ara-teknika na hadisoan’ny mpamily tao anatiny fa nofaohiny ankitsirano ny fiara kely iray nifanena taminy. Mafy dia mafy ny fifandonana satria dia nizara roa mihitsy ity farany. Ary noho izay fifandonana izay hatrany dia nipitika ity fiara kely ity, nidona tamina fiara tsy mataho-dalana taoriana, ary namarana ny lalany teny amin’ny andrin-jiro. Raha ny filazan’ireo teny an-toerana dia tsy nisy afa-tsy olona roa tao anatin’ity fiara voa mafy indrindra ity. Ny mpamily sy olona iray taoriana. Ity farany no namoy ny ainy avy hatrany, naratra mafy kosa ilay mpamily. Toraka izany ihany koa ny tao amin’ilay fiara nandona. Fa fotoana fohy taorian’izay, raha mbola samy jenjina tamin’ny loza ny rehetra, no nisy fiara nirimorimo fatratra ihany koa avy any Talatamaty, nandona fanindroany an’ilay fiara tsy mataho-dalana. Nisy olona maromaro voafaoka tamin’izany, ary samy naratra avokoa. Nifamonjena avy hatrany ireo naratra ary nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana teo akaiky teo. Tonga nijery ifotony teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza kosa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina ity.
m.L