Rehefa avy natolotra ny fitsarana Ambaratonga voalohany tao Antalaha, dia naiditra am-ponja vonji maika, ny talata teo, ny valo mianadahy voasambotra ; izay voarohirohy tamin’ny halatra lavanila 60 kg tany Marojala Lokoho, any amin’ny Distrikan’i Sambava, ny 11 jolay lasa teo. Anisan’ ireo voarohirohy tra-tehaka ka nadoboka am-ponja tamin’ity raharaha ity ny mpanam-bola iray nividy ireo lavanila halatra sy “Commissionnaire » iray mpibizina lavanila. Ity farany moa, raha ny fanazavana azo araka ny tati-baovao voaray, no nivarotra ireo lavanila halatra amin’ity « Patron » ity. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, ny talata 11 jolay io, dia olona 11mianaka tompon’io lavanila very io no niara-nandamaka sady safotra taorian’ny fanapoizinana ny sakafo sy ny zava-pisotro nasiana fanafody nohanin’ izy ireo. Rehefa tsy nahatsiaro tena ireto fianakaviana dia nobatain’ireo olon-dratsy ny lavanila rehetra tao an-tranony, maherin’ny 60 kg. Avotra ihany anefa ny ain’ilay lehilahy tompon’ny lavanila voapoizina rehefa notsaboina teny amin’ny hopitaly, ka vaky am-batolampy ny afera maizina avy eo. Ny nanaitra ny rehetra tamin’ity raharaha ity, dia ny anabavin’ilay voaroba ihany, izay nokaramaina valo hetsy ariary, no nanome zava-pisotro nisy poizina mba hahafaty haingana ny anadahiny tompon’ny lavanila. Rehefa voasambotry ny Zandary avy ao Farahalana ity mpamono fianakaviana ity, dia nofotorana lalina ka nanondro ireo namany, ary notsimponin’ny mpitandro filaminana tsirairay avy teo ireo olon-dratsy.
Eric Manitrisa