- Publicité -
lundi 20 mars 2023
DomicileFaits-DiversVavatenina: Tovovavy nandeha niandry omby hita faty tany an’ala

Vavatenina: Tovovavy nandeha niandry omby hita faty tany an’ala

Hatairana ny an’ireo mponina ao amin’ny tananan’Anivorano, kaominin’i Vavatenina, raha nahita ity fatina tovovavy manodidina ny 18 taona tany anaty ala ny marainan’ny alakamisy 27 jolay teo. Raha ny angom-baovao natao izay nomarihan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana diah andeha hiambina omby no nialan’ity tovovavy ity ny tanàna misy azy ny alarobia 26 jolay; saingy hagagana ny an’ireo fianakaviany fa tsy nody izy ny takarivan’ny alarobia io. Nisy ihany ny fikarohana saingy tsy hita na maty na velona ilay tovovavy tamin’izay, ny omby nambenany kosa hitan’ireo ray aman-dreniny. Ny alakamisy maraina anefa dia hita tao anaty ala tsy lavitra ny tanana misy azy ireo ny fatin’ity tovovavy ity, saingy mifamahofaho ny antony nahafaty azy, satria raha ny fanazavana azo dia mety ho fanolanana faobe no nahazo azy, noho ny fahitana ny fitafiana teny aminy nisy faharovitana. Izy rahateo tamin’ny nahitana azy tsy nipetraka tamin’ny laoniny ny tako-kenatra nanaovany. Avy hatrany dia nitory teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny ray aman-drenin’ity tovovavy 18 taona ity, efa misokatra noho izany ny fanadihadiana sy ny fizahan’ny mpitsabo ny tena antony nahafaty ity tovovavy ity. Ny olana anefa izao dia tsy misy sahy mandeha miambina omby any anaty ala avokoa ireo tanora ao Anivorano Vavatenina taorian’ity tranga ity…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici