- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversAnalamanga Park : « Bungalow » telo levon’ny afo

Analamanga Park : « Bungalow » telo levon’ny afo

May Analamanga Park. Hatairana ny an’ny rehetra izay nandalo tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny omaly maraina. Nidona-tsetroka ary nilelalela ny afo teny Analamanga Park. Araka ny fampitam-baovao azo dia « bungalow » telo no indray kilan’ny afo tanteraka. Tsy nisy kosa aloha aina nafoy na ny naratra. Voavotra daholo ihany koa ny entana, raha ny fanamarihana azo. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no niseho ity fahamaizana ity, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny. Hatreto raha ny fanadihadiana aloha, araka ny fanazavàna, dia vokatry ny doro tanety teo amin’ny manodidina no nahatonga ny loza. Mazava ho azy fa tsy voafehy ny afo ary niitatra tamin’ireo trano tao amin’ity « park » ity. Soa ihany fa tamin’io fotoana io dia tsy nisy olona tao amin’io « bungalow »io. Noho ny hita fa nihananatona kosa ny loza dia efa navoaka mialoha ireo entana ka izay no nahaavotra ireto farany. Na izany na izany aza dia potika tanteraka ireto trano telo ireto. Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, nampian’ireo mpamonjy voina. Tokony ho tamin’ny 12 atoandro teo no voafehy tanteraka ny afo teny an-toerana. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo zandary. Raha somary hitarina mantsy dia mety ho azo sokajiana ho doro trano niniana natao ihany nanjo an’Analamanga Park ity. Saingy ny mbola mahavalalanina ireo mpitandro filaminana aloha hatreto, dia voalaza fa tsy nisy tamingana olona teny amin’ny manodidina, izay mety ho nahita izay nandoro ilay tanety. Tsy misy afa-tsy tampon-tanety sy tanimbary tokoa mantsy manodidina ity « park » ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici