Ny sabotsy alina lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any dia tanana iray, antsoina hoe Antsevakely, ao amin’ny kaominina Marovazaha, no lasibatry ny asan-dahalo. Vokany, omby roa no lasa ary naratra mafy nokapain’ireo jiolahy ny antsy ny tompon-trano. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe, efa in-droa nandalovan’ny dahalo tao amin’ity tokantrano ity, satria ny omalin’io fanafihana io dia efa nanao amboletra tao ireto andian’olon-dratsy ireto, izay naka ny omby. Ny ampitso dia ity novonoin-dry zareo ity ny tompon-trano. Efa nampandrenesina ny mahakasika ity tranga ity moa ireto tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana. Ilay naratra kosa dia efa nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana. Amin’izao fotoana izao tokoa, dia miaina anaty horohoro ireo mponina ao avarabaratry ny distrika Anjozorobe, noho ny tsy fisian’ny fandriampahelemana izay afitsoky ny dahalo. Hatramin’ny fiangonana aza no miaina anaty tebiteby noho izay resaka izay, toy ny mahazo ny fiangonana iray ao Ambavasambo.
m.L