Nampiaka-peo ny mpandrindra ny Mapar eto Toamasina, ny solombavambahoaka Rtoa Naharimamy Irma Lucien, amin’ny firongatry ny tsy filaminam-bahoaka sy ny fahamaizanan’ny tanàna noho fahatapahan’ny heinaratra lava eto Toamasina. Ny alahady maraim-be tokony ho tamin’ny telo ora latsaka fahefany, dia nisy roa lahy samy nitondra sabatra, tao amin’ny tranon’ny mpikambana amin’izy ireo eto Toamasina, tsy iza fa ny mpanakanto Ra-kicky na Razafimamy Christian. Araka ny fitantaran’ny vadiny, Rtoa Diane Françoise dia efa tafiditra tao an-tranon’izy ireo tao Tsarahonenana Toamasina Suburbain ireto roa lahy nitondra sabatra ireto vao taitra ny vadiny; nisy noho izany ny ady nifanaovan’izy ireo sy Ra-kicky nandritra izany. Ny vadiny nikiaka mafy voafiran’ny sabatra no nanaitra azy mianaka ka avy hatrany dia niantso vonjy ka nitsoaka ireto olona roa ireto. Tao anatin’izay anefa, dia dian’antsy telo be izao no nanjo an-dRa-kicky, teo amin’ny hatony sy ny lamosiny ambony havia ary ny tanany. Tsy nisy zavatra nalaina anefa ireto olona roa nitondra sabatra ireto nandritra izany. Efa tany amin’ny efatra ora sy sasany no tonga teny amin’ny hopitaly be ity mpanakanto mpikamban’ny Mapar ity noho ny famonjen’ny mpiara-monina taminy, koa avy hatrany dia nampidirana toeram-pandidiana tamin’ny dimy ora maraina; nefa noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy sy ny fahaverezan-drà be loatra taminy, talohan’ny nahatongavany teny amin’ny hopitaly be. Ankoatra izay mikasika ny fahatapahan’ny herinaratra omaly teto Toamasina izay, indroa be izao sy naharitra, dia nambaran’ny talen’ny Jirama Toamasina fa ny fahasimbana tamin’ny tamba-jotra mitondra ny herinaratra Volobe – Toamasina no nisy fahasimbana tampoka. Efa miverina ara-dalana ny herinaratra izao, saingy nambaran’Atoa Veloson Leonard, fa efa mitily ny olana misy izy ireo ankehitriny tsy hiverenan’ny fahatapahana intsony…
Malala Didier