Nilaza izy ireo fa hijery ny kaontera ary hanao « relevé ». Isan’ny naneken’ny tao an-trano azy ireo ny fisian’ny karatr’asa izay mazava hoazy fa sandoka. Vao tafidita tao an-trano ireo efa-dahy dia nambanana basy ilay olona ary nofatorana. Nanara-po amin’izay nony avy eo ny naka izay nilainy ary isan’izany ny entana samihafa. Tsy nionona tamin’izay aza ireo jiolahy fa notateriny tamin’ny peugeot 404 bâché izay nentiny mihitsy ny entana mavesatra. Nandainga tamin’ny olona izay nahatsikaritra izy ireo fa hoe hifindra trano ny tompon-trano ary izy ireo no mikarakara izany fifindra-monina izany. Dia tsy nanana olana tokoa tamin’ny fanohizana ny halatra. Trano efa foana tanteraka no novantanin’ny tompony ary koa ny mpanampy an-trano izay voafatotra tongotra aman-tànana. Tsy kely làlana ny mpanao ratsy eto an-drenivohitra ary mivoatra hatrany koa ny fomba entin’izy ireo manatontosa ny asany. Mila mifandraika amin’izany fivoarana izany ny paik’ady hataon’ny mpitandro ny filaminana mba hanoherana ny ratsy. Samy miketrika ny fomba entiny manatontosa ny asany mantsy ny roa tonta ary efa samy mahafantatra ny fomba fanaon’ny andaniny ny ankilany matetika, ary koa ny mifamadika amin’izany.
D.R