Feno pôlisy omaly erak’andrenivohitra. Ireo izay nandalo teny amin’ny Digue, ny « route circulaire », Ivandry sns. Raha ny tena marina dia saika eraky ny boriborin-tany rehetra, dia nahatsikaritra ny fisian’ireo pôlisy marobe teny amin’ny arabe. Saika ireo mpianatra asa no tena voamariky ny olom-pirenena nivezivezy teto an-drenivohitra. Nahavelon-tsiky ihany izany satria noheverina fa hiditra any anelakelan-trano rehetra any ary hijoko sy hisambotra ny mpisinto-mahery sy ny mpanao fandrobana. Saingy tsy izay velively ny zava-nitranga fa antony hafa mihitsy kosa : fanakanana ireo fiara manana fitaratra mainty. Tsy nisy an-kanavaka fa izay rehetra nandalo ka nisy fitaratra mainty dia nosakanana, nosavaina ny taratasy ary koa ny fahazoan-dàlana mampiasa izany. Izany dia fampiharana ny didin-dalàna nasiam-panovana vao tsy ela akory izay. Niteraka fahasorenana ho an’ny olona izany, indrindra amin’izao vanim-potoana mafy iainana noho ny fisian’ny pesta sy ny tsy fandriam-pahalemana izao. Ekena ny fampiharana ny lalàna fa ilay fotoana ve tsy maintsy izao mihitsy no nanamafisana sy nampiharana izany ? Tsy izany ihany aza fa ny sampan-draharahan’ny ladoany koa dia tsikaritra ho nanao fanakanana fiara sy fisavàna etsy sy eroa. Ny an’ireo indray dia ny fiara mitondra laharana vahiny sy ireny laharana miafara amin’ny WWT ireny no tena nosavaina. Izany dia manoloana ny mpanao hosoka sy ny mpampiasa taratasy tsy ara-dalàna amin’ny fahazoana ireo laharana ireo. Dia izany no niainan’ny tandrenivohitra omaly tontolo. Betsaka no efa nitaraina ny amin’ny tsy azo ampiasana fitaratra mainty intsony, satria iny no mba sady endriky ny fiara no koa mba azo iarovan-tena amin’ny jiolahy matetika. Ny mifanohitra amin’izay anefa no fandraisan’ny fanjakana azy satria nolazaina fa betsaka ireo mpanararao-pahefana sy jiolahy mampiasa fitaratra mainty…
D.R