- Publicité -
jeudi, mai 19, 2022
DomicileFaits-DiversAntoetra-Zafimaniry : Mandrahona ny hampiantona ny fiaraha-miasa rehetra ny « association humanitaire...

Antoetra-Zafimaniry : Mandrahona ny hampiantona ny fiaraha-miasa rehetra ny « association humanitaire babakoto-France »

« Sekoly vitan’ny fikambanana babakoto», sary Anastase.

15 taona mahery izao, no nisian’ny fiaraha-miasan’ny « association humanitaire babakoto-France » sy ny kaominin’Antoetra-Zafimaniry, ao anatin’ny distrikan’Ambosita, faritra Amoron’i Mania. Fiaraha-miasa izay mifantoka betsaka amin’ny fanatsarana ny lafiny fampianarana sy ny sosialy. Fantatra izany, nandritra ny fitsidihana nataon’ny « association humanitaire babakoto-France » tany Antoetra, ny 11 oktobra lasa teo, ka nahitana mpikambana vitsivitsy notarihin-dRamatoa Malabre Chantal, filohan’ny fikambanana.

Zato. Fitsidihana mifantoka indrindra tamin’ny fitokanana ireo zava-bita tao Antoetra, toy ny rano fisotro madio sy ny herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nandritra ny kabary nifandimbiasana, dia nosoritan’ i Jean Pierre Errot, angady nananana sy vy nahitana ny fikambanana Babakoto, fa efa mahatratra zato izao ny efitrano sekoly no efa vita ary vatsin’ny fikambanana vola miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka, ary 15 ireo  rano fisotro madio manerana ny tanàna maro  ao anatin’ny kaominin’Antoetra ary natolotra ho an’ny vahoaka manontolo.

Ezaka. Tsapa, hoy ihany Jean Pierre Errot, tamin’ny fitsidihana nataony, fa tsy voakojakoja ireo zava-bita ireo nandritra izay 15 taona mahery, ka atahorana ho simba tanteraka afaka fotoana vitsy raha tsy misy ny ezaka ataon’ny fokonolona amin’ireo fotodrafitrasa amin’ny fikojakojana azy mba haharitra.  Hentitra araka izany ny hafatra napetraky ny solontenan’ny babakoto, fa hahantona ny fiaraha-miasa rehetra misy eo anivon’ny kaominina raha toa ka tsy vita ny ezaka amin’ny fikojakojana ireo zava-bita.

 Ben’ny tanàna. Nanome toky ny ben’ny tanànan’Antoetra, Kotoniaina Maurice, fa hisy ny ezaka hatao amin’ny fanarenana ireo zava-bita ireo. Marihina fa tombontsoa lehibe ho an’ny mponina any Antoetra ny fahazoana ireo fotodrafitrasa ireo, noho io tanàna io saro-dalana sy mitoka-monina, ka tsy dia misy mpamatsy vola vahiny firy, nefa be mpizaha-tany.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici