- Publicité -
mardi, mai 17, 2022
DomicileFaits-DiversVangaindrano : Mpanakan-dàlana amin’ny RN12A, voasambotry ny Zandary

Vangaindrano : Mpanakan-dàlana amin’ny RN12A, voasambotry ny Zandary

Jiolahy mpanakan-dàlana voasambotra.

Tovolahy iray mitam-basy malaza ratsy amin’ny fanakanana mpandeha môtô sy bisikileta ary mitifitra avy any anaty ala ireo mpandalo avy namonjy tsenan’ny jirofo izay heverina fa mitondra zavatra sarobidy amin’ny RN12A, mampitohy an’i Vangaindrano sy Taolagnaro iny, no voasambotry ny Zandary, tao an-tanànan’i Bekaraoka Distrikan’i Vangaindrano, afak’omaly. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia efa jiolahy gaigilahy ifampitadiavana tany Antsiranana ity tovolahy tra-tehaka ity, ary efa tsy vahiny eo amin’ny Fitsarana sy ny fonja ny tenany. Karohina fatratra kosa amin’izao ny naman’ity malaso izay avy ao Vangaindrano hatrany. Ity farany moa dia voatondro fa mpamatsy basy poleta an’ity jiolahy. Amin’izao taom-piotazana sy fanangonana jirofo izao, dia mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy any an-toerana. Eo anatrehan’izany, tsy manaiky ny hanjakan’ny asa ratsy ao Vangaindrano ny Kaomandàn’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena ka manao hazalambo an’ireo dahalo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici