- Publicité -
samedi 25 juin 2022
DomicileFaits-DiversAndravoahangy : Mpiambina am-perinasa voadaroka sy voendaka

Andravoahangy : Mpiambina am-perinasa voadaroka sy voendaka

Tsy nampoizin’ireto olon-dratsy teo am-panaovana ny asa ratsiny ny fandalovan’ireo polisy avy amin’iny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, nanao fisafoana, hany ka noraisim-potsiny izy ireo. Efa tsy mifidy asiana tokoa mantsy ireo olon-dratsy amin’izao. Ny faran’ny herinandro teo, dia mpiambina iray indray no niharan’ny herisetra sy ny asa ratsina tontakely. Tamin’ny iray ora maraina teo ho eo, raha mbola teo am-panantanterahana ny asany ity mpiambina ity no notongavana telolahy. Tsy nisy tahotra akory na fisalasalana  fa avy hatrany dia tambabe no namelezany an’ilay mpiambina. Niainga tamin’izany ny daroka sy ny vono ary rehefa hitan’izy ireo fa lavo ity mpiasa ity dia noendahin’izy ireo. Tamin’io fotoana io mihitsy anefa no nandalo ireo pôlisy ka nitsoaka avy hatrany ireto mpamono. Nandray ny andraikiny kosa iretsy voalohany ary raikitra teo ny fifanenjehana. Tovolahy iray, fantatra amin’ny anarana hoe Dorick, izay efa rain-dahiny amin’ny fanendahana miharo vono no voasambotra tamin’io fotoana io. Tafaporitsaka ireo namany hafa, izay nitsoaka niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana namonoany ilay mpiambiana sy ireo entana lasany tany amin’ity farany. Inoana hoy ireto pôlisy fa tsy hiandry ela akory dia ho voasambotra izy ireo. Fa ankoatr’izay dia efa mahazo mandry ivohon’ny vato ireo mpiantsena vao maraina eny amin’iny faritra Behoririka sy Andravoahangy iny fa manao ny ainy tsy ho zavatra ireto pôlisy ireto mamongotra tsikelikely ireo mpanao ratsy amin’iny faritra iny. Efa maromaro mantsy ihany ireo mpanendaka voasambotra tamin’ireo toerana ireo, vao tsy ela akory izay. Efa samy natolotra ny fitsaràna avokoa moa ireto farany ary naiditra am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici