- Publicité -
MG
mercredi 17 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTsaratanana : Takin’ny olona hatao fitsaram-bahoaka, ilay rangahy namono vady

Tsaratanana : Takin’ny olona hatao fitsaram-bahoaka, ilay rangahy namono vady

Somary mafampana ihany ny toe-draharaha ao amin’ny distrikan’i Tsaratanana ao, omaly. Olona maromaro no mitaky fitsaram-bahoaka amina lehilahy iray, izay voalaza fa namono nahafaty ny vadiny, ary nosamborin’ny zandary. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nisy vono olona mahatsiravina nitranga tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Morarano, any amin’iny faritra Betsiboka iny, ny herinandro lasa teo. Vehivavy iray no namoy ny ainy tamin’izay. Niantefa avy hatrany tany amin’ny rangahy vadiny ny ahiahin’ny rehetra tamin’io fotoana io. Ity farany ihany koa moa dia tsy hita tany nanjavonana taorian’izay. Nanomboka teo ny fikarohana ity lehilahy voatondro ho namono nahafaty ny vadiny ity. Nisy loharanom-baovao azon’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana, fa mety ho mahafantatra ny misy azy ny anabaviny izay mipetraka eo amin’ilay tanana ihany. Ity farany araka izany no natao jono hisamborana ilay rangahy, ary dia nandaitra tokoa. Satria dia voasambotra izy ny voalohandohan’ny herinandro teo ary nentina niakatra ny tampon-tananan’i Tsaratanana. Marihana fa toerana saro-dalana sy lavitra tokoa io tanana io. Lalana roa andro mandeha tongotra eo vao tonga ao Tsaratanana. Omaly araka izany izy ireo no tonga tao an-toerana. Tsy nampoizina anefa, fa misy andian’olona marobe ihany koa tonga teo amin’ny tobin’ny zandary, mitaky ny hanomezana azy ireo ity lehilahy ity, hatao fitsaram-bahoaka, satria hoe « maso solon’ny maso ary aina solon’ny aina ». Hatramin’ny omaly hariva, raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia mbola miezaka mandamina sy manazava amin’ireto andian’olona ireto ireo zandary any an-toerana. Efa mivonona amin’ny fiambenana ny toby sy ny zavatra mety hitranga ihany koa anefa etsy andanin’izay.

Ratantely / m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici