- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbatondrazaka : Sarona ilay jiolahy nanafika ny lehiben’ny faritra teo aloha

Ambatondrazaka : Sarona ilay jiolahy nanafika ny lehiben’ny faritra teo aloha

Jiolahy  raindahiny iray ,izay  mirongo fitaovam-piadiana rehefa manafika, toy ny  ,basy ,sabatra ary efa nahafaty olona ihany koa,   no saron’ny polisim-pirenena   ny zoma faha-24 novembre 2017 teo, tao Antsahalava Ambatondrazaka , izay tovolahy vao  mananiky ny 20 taona monja  ary  efa  jiolahy ikoizana sahady. Manao fanamiana mpitandro ny filaminana ity jiolahy ity rehefa manafika miaraka amin’ny namany  ,ary saika tafiditra amin’ireo asan-jiolahy sy  fanafihana  teto Ambatondrazaka tato ho ato  izay  nahafatesana ain’olona hatrany  , izay mitondra ny anaram-bositra   hoe    « Zaka Lava «  .Tao amin’ny tranon’ny lehiben’ny faritra  teo aloha izy no nanafika farany izao sarona izao    ,izay nampihorohoro ny vady aman-janaky ny lehiben’ny faritra  ,ka lasa tamin’izany ireo entana sarobidy maro sy ny vary amin’ny gony ka nanaovan’itsy farany fitarainana  ka izao  sarona  izao.  Tsy mivoaka antoandro intsony ity jiolahy ity noho izy efa matetika misazy , ary milefa rehefa voasambotra,   ka efa fantatry ny mpitandro ny filaminana ny  endriny  Mandositra  any Moramanga na Toamasina izy rehefa mahavita ny asa ratsiny eto Ambatondrazaka . Araka ny nambaran’ny kaomisera  Rakotozandry Camille  dia mbola  karohina  ireo namany sy ny fitaovam-piadiana fampiasan’ireto jiolahy ireto amin’izao fotoana izao ary hatolotra ny fampanoavana  tsy ho ela.

Janus R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici