- Publicité -
jeudi, mai 19, 2022
DomicileFaits-DiversAntohomadinika : Tra-tehaka ilay mpanendaka gaigilahy eny amin’ny Lalamby

Antohomadinika : Tra-tehaka ilay mpanendaka gaigilahy eny amin’ny Lalamby

Efa fanaon’ity lehilahy ity ny manendaka  eny amin’ny Lalamby Antohomadinika. Arak’izany dia efa misy ny olona izay efa mahafantatra sy maharaka izany asa ratsy fanaony izany, ka nizara ny vaovao tamin’ny Polisin’ny boriboritany faha-7 izay misahana iny faritra iny. Natao ny fanaraha-maso teny an-toerana, ka nandritra izany indrindra no nahatratrarana am-body omby ity lehilahy ity teo ampanaovana ny asa ratsiny niaraka tamin’ny namany roa lahy hafa izay nitondra Antsy lava, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny fanenjehana dia tafaporitsaka ireto roa lahy namany ary tra-tehaka kosa ity farany. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy no nahafantarana fa efa maro ny olona lasibatr’ity lehilahy ity ary misy mihitsy aza ny mitondra takaitra. Nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy rehefa natolotra ny fampanoavana, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo namany roa hafa.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici