- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
DomicileFaits-DiversToliara : Lehilahy mamo, matin’ny herinaratra

Toliara : Lehilahy mamo, matin’ny herinaratra

Tao anatin’ny fety, raim-pianakaviana iray 37 taona eo, manan-janaka telo mianadahy no maty main’ny herinaratra, ny alatsinain’ny paska teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, tao amin’ny Fokontany Amborogony Toliara. Nahakasika “fil” nitanjaka (tsy voaara-maso) teo an-joron-trano ity lehilahy efa mamo ity (zara raha nahazaka tena), izay nandihindihy tsy nikapa eran’ny trano niaraka tamin’ny vera feno toaka, ka nosintonin’ny herinaratra nandritra ny segondra vitsivitsy, avy eo nitrosina tamin’ny tany, ary safotra tsy nahatsiaro tena sady nivotirika be ny voamasony. Nentina namonjy hopitaly haingana ny niharam-boina, kanefa teny an-dàlana dia efa tsy nisy aina intsony, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici